4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nofinofy an - dakilasy - Henri ratsimbazafy

1 -
An-dakilasy, ny fotoana miha-lava
toa tsy ho tapitra ny adiny iray,
Madama anefa mikiry manazava
toa tsy ekeny ilay kajy raha tsy hay.
Izaho kosa efa maika ny hirava
fa te-hihaona, hahita anao indray

2 -
Tsaroako isika rehefa miadiady,
toa tena tezitra, tofoka ery,
kanefa avy eo, tsy ela dia mifampitady
ka mifampiantso indray an-taroby,
'lay ady teo dia nanjavona sahady
fa mafy loatra ny herin'ny fitia.

Ref.
Ny endrikao mandravaka ny nofiko
mitsiky mora, mahate - ho tia,
ny feonao manako ao an-tsofiko
miangotingoty, miantso hoe : "avia "
Kanefa izao
tsy eo ianao.
Koa hira sisa tsy afaka ao ambavako,
'reo hirantsika mampahatsiahy anao,
ny dinantsika andrin'ny fitiavako
ka mampahery ahy hatramizao.

Partager nofinofy an - dakilasy

Commenter nofinofy an - dakilasy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite